Sosialy

Antananarivo Renivohitra Mitombo isa ny mpangataka sy olona mitambotsitra an-dalambe


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Miseho hatrany ireo tondro maro samihafa maneho fa miha mahantra sy sahirana ny vahoaka Malagasy. Ahitana taratra izany ny fahamaroan’ireo ireo olona mirohotra mangataka.

Tsy ireo hita eny an-dalambe samihafa ihany, fa miharihary izany amin’ny fahamaroan’ireo tsy menatra intsony miara-mirohotra milahatra amin’ireny teratany vahiny toy ny mpandraharaha karana ireny, izay matetika manokana fotoana hizarana vola amin’ireo olona sokajiana ho sahirana. Rehefa alakamisy na zoma no ahitana an’io, toy ny etsy Sonierana, amin’iny làlana eny Alarobia iny. Tsy tena hoe: volabe mahavita inona fa 200 hatramin’ny 500Ar na 1000Ar raha be indrindra isan’olona, saingy mirohotra ireo fianankaviana sahirana na kely na lehibe. Noana ny olona, sahirana, ka tena miantsampy amin’izay mety hahazoany hiviny ary tonga amin’ilay fitenenenana hoe: “sitrany ahay vaza-mihetsika”. Mitombo isa ny olona torana na sanatria maty an-dàlana izay heverina fa mety ho vokatry ny fahantrana, tsy fisian’ny hanin-kohanina, tsy fahasalamana tsy voatsabo noho ny tsy fananam-bola,… Betsaka ny olona mitolefika tampoka eny an-dalana sy any anelakelan-trano any. Ahatarafana ny fahasahiranan’ny olona ihany koa ny fitondrana razana amin’ireny sarety tarihin-tànana ireny, ary miara-manaraka avy aoriana ny fianankaviana. Ekena fa mety hoe: tsy mifanalavitra ny toerana nahafaty azy na ny hopitaly, saingy tsy dia fahita firy ny fitondrana razana amin’ny sarety hoenti-tànana izany, saingy efa ahitana izany eto an-drenivohitra ankehitriny satria mety tsy mahavita manofa fiara ka aleo tsy hasarotina fa miaina amin’ny zava-misy. Endriky ny fahantrana sy ny fahasahiranana avokoa izany rehetra izany, manginy fotsiny ny fidangan’ny vidim-piainana izay efa tsy vaovao intsony, saingy tsy tena manam-bahaolana ireo nametrahan’ny vahoaka fanantenana hijery ny manjo azy. Ho avy indray ny fifidianana, handeha ny fanambatambazana zavatra na hanina tsy mahavita taona, hodomina tapany handoa erany ny olona,… satria mahantra sy noana. Dia mbola hararaotina hatrany amin’ny fahalemeny ve ny Malagasy amin’izao efa zava-manjo azy izao?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT