Sosialy

Antananarivo renivohitra Mitombo isa ireo mpatory an-dalana


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Mitombo isan’andro ireo mpatory an-dalana eto an-drenivohitra. Ankoatra ny etsy Anosizato sy Anosibe izay misy

miara-matory amin’ny biby toy ny alika sy ny omby mihitsy ny sasany dia tsy lazaina intsony ny etsy Ampefiloha, Analakely, Tsaralalana…Zaza amam-behivavy ny ankamaroan’izy ireo izay fantatra fa tsy nahaloa hofantrano avokoa ny ankamaroany ankoatra ireo very asa. Mamonjy ireny seza fipetrapetrahana fiandrasana taxibe ireny izy ireo noho izany raha vantany vao harivariva ny andro ary mamelatra baoritra mba hatoriana. Tsy mitsangana izy ireo raha tsy amin’ny 09 ora maraina any ho any noho ny hatsiaka nihinana azy ireo nandritra ny alina raha ny nambaran’ny Renim-pianakaviana iray. Misy kosa ireo mahavita manangana trano sachet kely mihitsy noho ny hatsiaka diso tafahoatra toy ny zavatra hita eny amin’ny fiakarambe miazo an’Antaninarenina iny. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia anisan’ny mampitombo ireo ankizy mpangataka eto an-drenivohitra ny fisian’izy ireny. Tsy misy mianatra mantsy ireny tsy manan-tsiny ireny hany ka hampiasain-dRay aman-dReniny mba hanampy azy hamelona ny tenany sy ny ankohonany ihany koa. Lasa miahotra sy matahotra ireo mpiandry taxibe sy mpandeha an-tongotra noho izany. Manampy trotraka izany ny loto sy ny fofona eny amin’ireny toerana ireny izay tokony hojeren’ny kaominina Antananarivo renivohitra akaiky miaraka amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana sosialy.
Pati
(Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT