Sosialy

Antananarivo renivohitra Mitohy ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Mitohy ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ankoatra ireo miorina manakaiky sekoly, hopitaly ary biraom-panjakana dia alana daholo ihany koa ireo miorina eny amin’ny trottoir, lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra…

 

 

Teny Tsaralalàna sy Isoraka indray no nanohizan’ny kaominina ny asany ny Sabotsy teo. Nomarihin’ny lehiben’ny tsena eo anivon’ny kaominina moa fa tsy hijanona amin’ny fanalana ireo mpivarotra fotsiny ny kaominina fa efa mikatsaka amin’ny fanganana foto-drafitrasa hametrahana azy ireo koa. Ho an’ireo manana taratasy ara-dalana araka izany dia hahazo toerana vaovao izy ireo, tetikasa izay hotanterahina tsy ho ela. Miisa 17 ohatra ireo efa voaisa sy nosoratana anarana hahazo izany eny Tsaralalana eny. Mbola hitohy amina faritra hafa moa ity fanisana mpivarotra hahazo tsena vaovao ity hahafahana manafoana tanteraka ny mpivarotra amoron-dalana eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT