Sosialy

Antananarivo renivohitra Mbola maro ireo sahirana miandrandra fanampiana


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Tena mbola maro ireo olona sahirana mafy vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 amin’izao.

 

 Lohalaharana amin’izany ireo very asa nandritra ny fihibohana nefa mamelom-bady aman-janaka. Mbola misy ihany koa ireo orinasa manala mpiasa amin’izao ankoatra ireo mbola tsy niverina nandray ireo mpiasa nalefany. Fanirian’ireny olona sahirana ireny araka izany ny hitohizan’ny fanampiana toy ny teo aloha. Ho an’ny eto Antananarivo renivohitra manokana dia hangatahin’izy ireo ny hijeren’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany ireo tena sahirana eny anivon’ny Boriborintany toy ny nijeren’ny fondation Coca Cola sy ny orinasa Star ireo sahirana tao amin’ny boriborintany fahaefatra tao anatinilay hetsika Coke Hiray Vatsy. Olona 1150 no nahazo tombontsoa tamin’izany izay mbola hiitatra amina faritra hafa. Fotsim-bary, savony, voamaina, … no natolotra tamin’izany niampy ranom-boankazo Coca cola iray tavoahangy isam-pianakaviana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT