Sosialy

Antananarivo Renivohitra Manomboka mivangongo ny fako


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Mbola misy mivangongo ihany ny fako eto an-drenivohitra hatramin’ny faran’ny herinandro teo, toy ny etsy Anosizato izay mamoaka fofona maimbo tokoa sady mibahan-dalana.

 

 

 

 

Ny antony raha ny fanazavana azo teo anivon’ny SAMVA ny fahasimban’ny fiarabe hampiasain’izy ireo. 16 mantsy ny isany teo aloha nefa 11 sisa ankehitriny. Miezaka ny SAMVA hanao izay ho afany hanalana ireny fako mivangongo ireny. Miantso ny mponin’Antananarivo mba hanaja ny ora fanariana fako isan’andro manomboka amin’ny 05 ora hariva ka hatramin’ny 08 ora alina izy ireo sady tsy hanaparitaka izany eny ivelany ihany koa. Tsiahivina moa fa aretina maro no aterak’ireny fako miparitaka ireny ka lohalaharana ny aretin’ny taovam-pisefoana izay tena mamely ny maro tokoa toy ny kohoka, ny gripa mahery izay mahavoa ny ankamaroan’ireo olona tonga manatona tobim-pitsaboana ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT