Sosialy

Antananarivo Renivohitra Mandroso ny asa fanamboaran-dàlana sy làlankely


  • Zoma 20 Septambra 2019

Mandroso ny asa fanamboaran-dalana sy lalankely ao Betafo Ambohimandroso sy Ambodivonkely boriborintany faha-6;

 

Volosarika Ambanidia boriborintany faha-2 nampikaikaika ny mponina ny haratsiny, ary ao Antetezana Afovoany boriborintany voalohany mirefy 300m. Mitohy   hatrany ny asa manakaiky  vahoaka sy ho an’ny vahoaka   ataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA),   araka  ny toromariky  ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Tato anatin’ny  volana vitsy no nanombohana ny asa fanamboarana ary  efa eo an-dalam-pahavitana avokoa  izy ireo  .  Tetibola madiodio avy amin’ny CUA no namatsiana ny asa fanamboarana rehetra, toy ny fitaovana sy ny karaman’ny mpiasa. Ankoatra ny asa fanamboaran-dalana dia mitohy ny asa fanadiovana faobe  ny lakandrano fivarinan’ny rano maloto  teny  Antetezana Afovoany  mirefy 800 m sy teny Ambohimandroso  amin’ny alalan’ny asa  tanamaro na  HIMO. Tsongaina manokana amin’ny fanatanterahana izany ireo sokajin’olona sahirana eny amin’ny fokontany misy ny asa tanterahana.  Tonga   nijery ifotony   ny asa  fanamboarana lalana sy lalankely  omaly alakamisy  19 septambra,   ny sekretera jeneralin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra,  Rina Randriamasinoro, nisolotena   ny ben’ny tanàna Lalao  Ravalomanana, ny delegen’ny boriborintany voalohany  Randriamamonjy Lanto, ny delegen’ny boriborintany faha-2 Naivo Rahamefy ary ny delegen’ny boriborintany faha-6 Fehizoro Andrimananjezika,  sy ny mpiara-miasa aminy avy.  Faly ireo mponina satria afa-pahasahiranana. Isaorana, hoy izy, ireo ny tompon’andraikitra  rehetra  nahatontosa izao asa  izao.  Miezaka hatrany ny CUA,  hanala fahasahiranana  ny mponina,  indrindra  amin’ireo fotodrafitrasa  manakaiky vahoaka mivantana amin’ny  maha Antananarivo  soa iombonan’ny Malagasy azy, hoy  ny Sekretera jeneraly, Rina Randriamasinoro.

Toky R 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT