Antananarivo renivohitra

« Laharam-pahamehana ny famahana ny olan’ny rano sy herinaratra »


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Ireto no laharam-pahamehana amiko ho an’ireo izay te ho ben’ny tanànan’Antananarivo

renivohitra, hoy ny mpisehatra anaty fiarahamonim-pirenena, Erico Randriarimalala, ary tsy maninona na ho alain’ireo kandida. Vahana ny olan'ny rano ka hiarahana amin'ny ministeran'ny rano, hoy izy. Toy izay koa ny herin'aratra miaraka amin'ny ministeran'ny angovo. Fehezina ny fako ary arindra isan-tokantrano sy isam-pokontany ny fanangonana sy fandraofana izany hatreny Andralanitra. Tsy maintsy vahana ireo olana amin'ny lakan-drano ho fiarovana ny mponina, indrindra, ireo ambany tanàna. Atao izay hanafoanana ny loto mikoriana amin'ny lakan-drano. Arindra sy alamina ary hajariana ny fotodrafitr'asa vaovao hialana amin'ny tohamboivoy. Apetraka ny politika ho fanajariana amin'ireo fananganana vaovao ary fikolokolona ireo efa voajary hanome endrika mahafinaritra ny tanàna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT