Sosialy

Antananarivo Renivohitra Kely dia manao firaisana ny zazavavy


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Lasa aloha loatra ny firosoan’ny tanora zazavavy sy zazalahy amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo eto amintsika. Raha araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Tanora Garan’teen

 

 

 

 

 

 izay miasa manokana ho an’ny tanora mantsy dia tanora zazavavy 7 amin’ny 10  no manao firaisana ara-nofo mialoha ny faha-13 taonany. Eny amin’ireo faritra iva no tena ahitana izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Stella Tsirimanana, antony nanosika azy ireo nampianatra sy nanao fanentanana teny anivon’ireo fokontany 192 eto an-drenivohitra. In’enina mampianatra ireo ankizy isam-bondrona izy ireo ka ny vondrona iray dia ahitana  ankizy folo isaky ny mandeha. Anisan’ny nampianarina tao anatin’izany ny resaka fahasalamana ara-pananahana, ny fahadiovan’ny serviety hanaovana ho an’ny zatovovavy rehefa tonga fadimbolana, ny fomba fampiasana ny tambajotran-tserasera facebook….Tanjon’ny fikambanana moa ny hanova iray manontolo ny fomba fiainan’ireo ankizy sy tanora eto amintsika mihitsy hisorohana ny vohoka tsy  iriana sy ny vohoka aloha loatra ho an’ny zazavavy. Tsiahivina moa fa notohanan’ny FNUAP  ity fikambanana ity nanomboka tamin’ny taona 2012 ka hatramin’ny taona 2016.

 

 

Patty

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT