Sosialy

Antananarivo Renivohitra Hovonoina ireo alika mirenireny


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Ny fotoana mampahazo vahana ny fiovaovan’ny toetr’andro tahaka izao no tena mampirongatra ny aretina haromotana vokatry ny kaikitry ny alika na ny rangotry ny saka.

 

 

 

 Manoloana io tranga io dia misy ny hetsika karakarain’ny minisiteran’ny fiompiana sy ny  jono  entina hanaovam-baksiny maimaimpoana ny saka sy ny alika eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa nanomboka ny 22 jolay lasa teo izy io etsy Mahamasina ka ho an’ny Boriborintany fahefatra dia misy ny fanentanana sy ny fitaizana ny mponina mba handray andraikitra raha tiany tokoa ireny biby fiompiny ireny. Aorian’ny 18 aogositra ho avy izao izay hifaranan’ny hetsika mantsy dia hiroso amin’ny famonoana ireo alika mirenireny tsy manan-tompo ny kaominina saingy mialoha izay dia mbola miala nenina izy ireo. Tanjon’ny kaominina ny hiarovana ny mponina amin’ny aretina haromotana izay tsiahivina fa mamono olona 10 ka hatramin’ny 15 isan-taona eto amintsika.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT