Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ny filankevitra monisipalin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Hanomboka ny alarobia 26 aogositra ary haharitra telo andro hatramin’ny zoma 28 aogositra. Anisany lahadinika haroso hakana ny fankatoavan’ireo mpanolontsain’ny tanàna miisa 55 mianadahy ny fanomezana anarana vaovao ny lalana miisa roa ao Antananarivo Renivohitra. Araka ny tolokevitra dia hampitondraina ny anaran’ny Dr Andriamanjato Richard Mahitsison ny lalana Ambohimanarina/Ambodimita/Andranomena sy ary hitondra ny anaran-dRazanamasy Guy Willy ny lalana miainga eo amin’ny sampanana Rocade Est miazo an’Ankerana mipaka eo amin’ny fihaon-dalana amin’ny RN2 eo Ankadindramamy. Efa samy Ben’ny tanànan’Antananarivo izy roalahy ireo. Efa samy olom-panjakana ambony ihany koa izy ireo. Ben’ny tanànan’Antananarivo ny mpitandrina Andriamanjato Richard ny taona 1959-1977, ary efa filohan’ny Antenimieram-pirenena ary ny taona 1995-1999 kosa ny farmasiana Razanamasy Guy Willy ary efa Praiminisitra ihany koa. “Afaka mivory tsy ara-potona ny filankevitra rehefa mitaky izany ny toe-drarahan’ny vondrombahoaka. Na dia izany aza, voafetra indray mandeha isam-bolana ihany ny fivoriana tsy ara- potoana ary tsy mihoatra ny telo andro ny faharetany”, araka ny voalazan’ny lalàna 2014-020 ao amin’ny andininy faha-83. Azon’ny besinimaro hatrehana ny fizotry adihevitra eny anivon’ny filankevitry ny tanàna araka ny lalàna manan-kery. Iaraha-mahalala anefa ny fepetra nateraky ny Covid-19.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.