Sosialy

Antananarivo Renivohitra Hampitomboina ny faritra maitso


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Ao anatin'ny ezaka fanatsarana endrika ny tanànan'Antananarivo dia notanterahina ny sabotsy lasa teo ny fanombohana ny taom-pambolen-kazo ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA)

 

 

izay notarihin'ny Ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina mivady, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady. Nanamafy moa ny filoha Andry Rajoelina fa 40 000ha isan-taona ny faritra hovolena hazo manerana an'i Madagasikara. Efa tetikasan'ny fitondram-panjakana ihany koa, hoy izy ny hambolena hazo iray farafahakeliny isan-tokantrano, ary koa zaridiana iray isaky ny fokontany. Ankoatra ny fanatsarana ny endriky ny tanàna dia tsy maintsy fenoina zava-maitso sy zaridaina ihany koa ny tanànan'Antananarivo, hoy ihany izy. Teo amin'ny lalam-baovao eny Tsarasaotra no nanamarihina izany ka nandray anjara tamin'izany niaraka tamin'ireo mpiasan'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo miisa 1000 mahery.  Hazo maherin'ny 1440 no novolena manemitra ny lalana miainga avy eo Tsarasaotra ka hatrany amin'ny seranam-piaramanidina Ivato.  Omaly hariva, dia nisy ny dia nataon’ny filoha mivady sy ny ben’ny tanàna mivady nidina tamin’ny tohatohabaton’Ambondrona. Nitafa tamin’ny mpivarotra vitsivitsy, ary nanohy ny dia niakatra an’Antaninarenina indray avy eo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT