Sosialy

Antananarivo Renivohitra Hajanona avokoa ny tsena isan-kerinandro


  • Talata 24 Martsa 2020

Anisan’ny lalana iray hahafahana mandresy ny otrik’aretina Coronavirus ny fanajana ny fahadiovana.

Ankoatra ny fanasan-tanana amin’ny savony mandritra ny 30 segondra dia tsara ihany koa raha madio avokoa ny tontolo manodidina rehetra, antony nanosika ny kaominina Antananarivo renivohitra hanao fanadiovana tsena faobe. Hanomboka anio izany raha tsy misy ny fiovana, iarahana amin’ireo mpivarotra sy ireo fikambanana maro samihafa iarovana ny mety ho fiparitahan’ilay otrik’aretina coronavirus. Hanome tanana azy ireo mandritra izany ny BMH sy ny sampana mpamonjy voina amin’ny alalan’ny fandrarahana ranom-panafody famonoana bibikely. Ankoatra izay dia hajanona avokoa ny  tsena isan-kerinandro toy ny eny Mahamasina, Coum 67 ha, Ambodin’Isotry, Andravoahangy ary  Ambohimanarina, fanapahan-kevitra noraisin’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT