Sosialy

Antananarivo Renivohitra Hafindra eny Isotry avokoa ireo tsy manan-kialofana


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Ho fanadiovana ny tanàna mialoha ny hahatongavan’i Papa François eto an-tanindrazana amin’ny fiandohan’ny volana septambra ho avy io dia nisy ny hetsika notanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ireo tsy manan-kialofana, omaly.

 

 

 

 Nampahafantarina azy ireo tamin’izany fa tsy maintsy alana amin’ny toerany izy ireo. Tsy hotampohina velively akory, mba hahafahany miomana. Ireo ekipan’ny kaominina sy ny polisim-pirenena ary ny DAS  no nifanome tanana tamin’izany ka nolalovan’izy ireo avokoa ny teny Ambodifilao, ny teny ambanin’ny tonelina Analakely…. Raha araka ny fanazavana azo moa dia afindra eny Isotry izy ireo, ivontoerana fametrahana ireo tsy manan-kialofana eto an-drenivohitra. Misy ny trano handraisana azy ireo saingy tsy maintsy mivoaka mitady ny hanin-ko hanina kosa ny rehetra ny maraina aorian’ny fandaminany ny toerana avy nandriany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT