Efa mazava ny resaka fa antony 3 lehibe no mahatonga an’Antananarivo dibo-drano amina rotsak’orana tapak’andro.
Voalohany tena tsy ampy ny tatatra sy lalan’ny rano, faharoa be loatra ny fanorenana trano tsy ara-dalàna ary fahatelo ny fanotofana tany eto an-drenivohitra sy amin’ireo faritra manodidina azy. Vokatr’ireo dia mora miangona ny rano, tsy misy lalana ivoahany, hany ka tsy misy adiny iray akory dia efa halohalika ny rano, tonga any an-tratra izy rehefa mirotsaka mandriitra ny 2 ora ny orana ary manomboka tafiditra isan-tokantrano amin’izay avy eo. Tsy misy ny fahagagana ka hoe antsoina ny Bngrc na ny kaominina na ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy dia ho afaka ny rano be. Vokatry ny natao ny zava-misy amin’izao fotoana, vokatry ny tsy fanajana ny drafi-panajariana ny tany sy ny aferafera any anaty famoahana « permis de construire » ka na toerana efa hita izao fa tsy tokony hanorenana fotodrafitrasa aza dia ahitana trano rihana 4 mijoro tampotampoka eo. Ny hoe « Plan d’Urbanisme » fampihatra amin’ny tanàn-dehibe izany moa dia tahaka ny tsy fantatr’Antananarivo renivohitra. Raha ny tokony ho izy dia misy endrika mari-trano tsy maintsy arahana arakaraky ny toerana hanorenana ilay trano, tahaka izany ihany koa ny habeny mba hanome endrika tsara ilay tanàna fa tsy hoe samy manorina izay trano amin’ny endrika itiavana azy sy izay habeny mahamety azy ny tsirairay. Ny mponina ihany koa moa maro no tsy mivaky loha ka lasa fanariam-pako ny tatatra ka na hiasa adiny 8 isan’andro hanala an’ireny aza ny mpiasan’ny voaria dia ho tentsina foana ilay izy satria be loatra ny fako sy izao karazana tavoahangy plastika sy sachet izao. Ireny no mampikatso ny fikorinan’ny rano ary rehefa vanim-potoanan’ny orana dia miakatra an’arabe avy hatrany ireo rano anaty lakan-drano, miampy ny rano miangona etsy sy eroa dia izay ilay hoe dobo ny tanàna. Asa aloha izay paikadin’ny ho ben’ny tanàna manaraka eo, sy ny an’ny fitondram-panjakana foibe hamahana ity olan’ny rano isam-pahavaratra ity, fa ny azo antoka raha mbola mitohy ny fanotorana tany sy ny fanorenana etsy sy eroa, dia mbola ho mafy kokoa noho izao ny hitranga amin’ny fotoam-pahavaratra manaraka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.