Sosialy

Antananarivo renivohitra Ahiana hiteraka aretina maro ny fako miaritaka


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Miparitaka indray ny fako eto an-drenivohitra tato ho ato. Faritra maro no ahitana izany toy ny eny Ambodin’Isotry, Namontana….

 Ankoatra ny lalitra izay entiny dia anisan’ny tena mampitaraina ny maro ny fofona aterany indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Zary lasa lo mantsy ireo voankazo sy legioma simba any anatin’ireny fako ireny ka tena mahery vaika tokoa ny fofona havoakany. Ahiana hiteraka aretina maro mihitsy izany. Ho an’ireo mponina eny amin’ireo faritra misy ireny fako mivangongo ireny mantsy dia nanambara izy ireo fa sady marary vavony noho ilay fofona no tratry ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery mahery ihany koa. Eo an-danin’izay anefa dia mbola mahazo vahana tanteraka eto amintsika koa ilay valan’aretina Covid 19 izay tsy hita firy intsony ny hanavahana azy amin’ny tazo mahery. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra mba handray ny andraikiny araka izany ny mponina. Rehefa mba madio tsy misy fako miparitaka mantsy eto an-drenivohitra dia mihena toraka izany ihany koa ny risika mety hampiparitaka na hahazoana ireo karazan’aretina maro samihafa.
Pati
Legende : Miteraka aretina maro ny fako lena mivangongo eran’ny arabe tahaka izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT