Sosialy

Antananarivo Nisy haintrano miisa 27 tamin’ny volana jolay


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Nahatratra 27 isa ireo haintrano niseho teto Antananarivo tamin’ny volana jolay lasa teo.

 

 

 Aina roa no nafoy tamin’izany izay tsy nisy azo nialana nenina avokoa raha roa ihany koa ireo naratra ka anisan’ireo ny teo anivon’ny mpamonjy voina. Mba ho fanampiana ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo ary dia nisy ny fanoloran’ny fondation ADP fanamiana miaro amin’ny afo manomboka any am-paladia ka hatrany an-tampon-doha ho azy ireo niampy fitaovana tamin’ny alalan’ny Ravinala Airports. Miisa 1604 izy ireo ka ny 106 amin’ireo natokana ho an’ny mpamonjy voina eto Antananarivo. Ny faran’ny herinandro teo no nanolorana ny fanampiana mba hahafahan’ireto farany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa hiantsorohany. Raha araka ny fanadihadiana natao tokoa mantsy dia matetika ireo mpamonjy voina no lasibatry ny afo rehefa mamonjy trano may. Ankehitriny voavaha tanteraka izany koa inoana fa hitondra fanampiana be dia be ho azy ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT