Sosialy

Antananarivo Niakatra ny ankamaroan’ny hofantrano


  • Talata 26 Jolay 2022

Tena mihalalina ny fahasahiram-bahoaka. Taorian’ny niakaran’ny vidin-tsolika no mankaty mantsy dia nanararaotra nampiakatra ny hofantranony ihany koa ny ankamaroan’ny tompon-trano.

Raha 35.000 Ar izany teo aloha dia lasa 50.000 Ar ankehitriny izany hoe : 100 % latsaka eo ho eo ilay fiakarana. Raha araka ny fanazavan’ireo mpanofa trano maromaro sendra tafaresaka tamin’ny gazety Tia tanindrazana dia nambaran’izy ireo fa noho ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fanamboaran-drano toy ny simenitra izay efa lasa 40.000 Ar ny iray lasaka, ny vy…. no antony nanosika ireo tompon-trano hampiakatra ny hofantranony. Tsy moramora hoy hatrany ireo tompon-trano ny mikarakara sy namaboatra trano amin’izao rehefa simba. Raha tsiahivina ihany koa anefa dia midangana izaitsizy ny vidin-jiron’ny JIRAMA ka betsaka ireo miraviravy tanana tsy hahavita na inona na inona intsony. Tsy te-hahalala anefa ny tompon-trano fa tompon’andraikitra feno amin’izany ny mpanofa, indrindra raha tapaka ny jirony. Maro amin’ireo mponina ao anatin’ny faritr’Itaosy iny araka izany no voatery mitady trano ahofa moramora noho ny teo aloha. Raha 50.000 Ar izany teo aloha dia mitady 30.000 Ar amin’izao ny ankohonana iray na tanibe aza no ao anatiny vokatry ny fahasahiranana. Ahiana mafy araka izany ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy goavana raha mitohy izao fahasahiranam-bahoaka izao. Tsy vitsy ireo efa tazana mandeha mifindra trano mibata entana amin’izao, ankoatra ireo tonga manatevin-daharana etsy amin’ny La Réunion kely Ampefiloha.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT