Antananarivo

Nampiakatra hofan-trano ny ankamaroan’ny tompon-trano


  • Talata 04 Febroary 2025

Saika nampiakatra ny hofantranony avokoa ireo tompon-trano eto an-drenivohitra amin’izao

fiandohan’ny taona 2025 izao. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpanofa trano vitsivitsy eto an-drenivohitra dia manodidina ny 15 ka hatramin’ny 20% eo ho eo izany fiakarana izany izay efa nihatra nanomboka tamin’ny volana Janoary teo. Noho ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fanamboaran-trano no voalaza fa anton’io fampiakarana io. Tsy maintsy mandoko ary manamboatra ny simba amin’ny trano hampanofainy isaky ny enim-bolana mantsy raha ela indrindra ny tompon-trano iray eto an-drenivohitra. Efa mahatratra 40.000 Ar anefa amin’izao ny simenitra iray lasaka mba tena tsara, 25.000 Ar ny loko anaty fitoerany iray manodinana ny 4 litatra, 60.000 Ar ny fasika 2m3….Nisy tamin’ireo mpanofa trano no niala vokatr’izany. Efa mihoatra ny 150.000 Ar avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo hofantrano eto an-drenivohitra amin’izao ka any amin’ny 300.000 Ar any ho any vao mba misy tsara sy tena mety, ahitana trano fidiovana sy trano fivoahana ao anatiny. Vao mainka mihalalina ny fahasahiranan’ny olona noho izany. Miakatra ny hofantrano, miakatra avokoa ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro....Tsiahivina moa fa tsy eto an-drenivohitra ihany no ahitana ireo mpanofa trano miala amin’izao fiandohan’ny volana Febroary izao fa saika manerana ny faritra maro mihitsy.
Pati
Legende : Tsy misy hofantrano mora intsony eto an-drenivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT