Sosialy

Antananarivo Misy nidangana izay tsy izy ny hetran-trano


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Misy nidangana izay tsy izy ny hetran-trano eto Antananarivo, raha ny fitarainana voaray tamina renim-pianakaviana iray sy mponina eny amin’iny boriboritany faha 5.

 Vaka ity renim-pianakaviana iray monina eny Ambohimirary ity raha nanazava fa nanodidina ny 600.000 ariary hatrany teo aloha ny fitambaran’ny hetran-tranony sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy. Ity farany izao ity anefa dia lasa 400.000 ariary mahery be izao ny anjarany samirery. Velon-taraina noho ny tranga mitovitovy amin’izany koa ireo tompon-trano eny amin’iny Amboditsiry sy ny manodidina iny, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Miandry fatratra ny fanazavana avy eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra mikasika izao fidanganana izao, noho izany, izy ireo. Fanontaniana goavana mipetraka koa anefa etsy ankilan’izay ny hoe kajy diso ve sa tena izy izy ity ?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT