Sosialy

Antananarivo Mila sorohana dieny izao ny gaboraraka


  • Zoma 17 Janoary 2020

Zary lasa fomba fiady mandeha indray amin’izao fotoana izao ny fisiana mpivarotra miforona etsy sy eroa eto an-dRenivohitra sy ny manodidina.

 

 

 

 Raha vao misy toerana somary malalaka amoron-dalana, dia misy mpivarotra iray manao tsena mora ravana, ny ampitson’iny dia misy iray ary mitombo hatrany. Mila fandraisana fepetra ara-potoana satria vao tsy misy tompon’andraikitra miteny, dia mody hitarina tsikelikely. Misy ny fandraisana fepetra amin’ny fanalalahana ny fifamoivoizana amin’izao fotoana izao, ka isan’ny tokony handraisana fepetra hentitra ireny satria toa zary fomba fiady saika hita manerana ny renivohitra.

 

Zavatra maro sokajiana ho tsy dia mety loatra no mandeha ho azy sy toa mbola misy ny manao izay saim-patany, toy ny taksibe mamorona fiantsonana (arrêt) amin’izay metimety aminy. Olona manary fako amin’ny fotoana sy ny toerana izay maha mety azy. Maro no miampita amin'ny arabe tahaka ny omby sanatrian’ny vava.  Manjaka ny tsy firaharahiana, fitiavan-tena, santatry ny fandikana fitsipika sy fandikan-dalàna. Zava-dehibe ary tena amporisihina ny famerenana ny fitsipika (discipline) izay tsy maintsy atao handaminana ny fiarahamoninana sy hirosoana amin'ny tsara kokoa. Vao andro vitsy dia efa hita taratra ny filaminana amin’ireo toerana nandraisana fepetra toa ny eny Andrefan’Ambohijanahary sy Mahamasina, ka na andro tsena aza omaly tsy nisy fitohanana. Tsy maintsy misy fifampifehezana.rehefa miaina anaty fiarahamonina, tanàna, orinasa, firenena fa tsy hoe samy partrôan'ny tenany izany. Ilay fahataran'ny fandraisana andraikitra no mampiroborobo be ny sehatra tsy manara-penitra eto Madagasikara

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT