Sosialy

Antananarivo Mihoampampana ny havoretrana sy ny gaboraraka


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Tena mahazo vahana ny havoretrana sy ny gaboraraka eto Antananarivo.

 

 

 Ankoatra ireo mpivarotra eny Anosy sy Mahamasina izay toa lasa tsenabe mihitsy isan’andro dia tsy lazaina intsony ny loto miparitaka etsy sy eroa. Anisan’ny efa voaresaka ary mbola resahina matetika ny eny Anosibe  sy ny manodidina   izay tena  foiben’ny maloto tokoa. Tsy henatra tsy tahotra intsony mantsy ireo mponina eny an-toerana manary maloto eny amin’ny arabe izay tena mivangongo be tokoa. Raha araka ny fitarainan’ireo mpampiasa lalana eny an-toerana dia mila tsy ho azo diavin-tongotra intsony ny eny an-toerana no sady mamofona, miampy ireo mpandoko na mpanamboatra fiara mibahana etsy sy eroa. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo lehiben’ny faritra na Fokontany eny an-toerana mba hijery akaiky ity loto sy gaborakaka eny Anosibe ity.Marihina moa fa na inona na inona asa  fanamboarana foto-drafitrasa  hatao eto amintsika raha mbola voretra sy tsy mahay manaja izany ny mpiray monina dia zava-poana ihany izany. Tena fahavalon'ny arabe ny rano ohatra  kanefa manerana ny tanàna dia feno olona manipy ranon-dolana sy rano maloto amin'ny arabe. Tsy mahagaga intsony araka izany raha simba foana ny lalana eto  amintsika sady maimbo ny tanàna.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

Hijery ny tohiny
FTT