Antananarivo

Miha zava-doza isan-taona ny fiakaran'ny rano...


  • Alakamisy 11 Desambra 2025

Antananarivo dibo-drano androany,

tanàna iva maro no voa: Andravoahangy, Besarety, Analakely, Andranomanalina, Ampefiloha, Anosy, Sonierana,... Henjana ny fiakaran’ny rano ka miteraka fahasahiranana goavana ho an’ny mponina, eny fa mety efa misy traboina kanefa vao manomboka ny fahavaratra. Ny tetsy Besarety omaly, hatreny am-balahana ny rano tsy maintsy nijobohan’ny olona. Ny taza-maso ireny fa henjana ny fahorian’ny olona eny amin’ny faritra iva. Ny antony dia betsaka ny gaboraraka sy tsy fandraisana andraikitra: fako arian’ny vahoaka amin’ny toerana tsy voatokana ka manentsina ny lakandrano, fako tsy voataona ara-potoana, fanotorana sy fanorenana tsy ara-dalàna mitombo isan’andro. Vokany, tsy voafehy intsony ny loza ateraky ny fiakaran'ny rano. Nahavita ny asany sy ny andraikiny ve ny rehetra: olom-pirenena, fokontany, kaominina, Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany, ary ny APIPA? Ny tsirairay dia tokony tsy hanary fako amin’ny lakandrano ary handray andraikitra amin’ny fanadiovana manodidina. Ny fokontany kosa tokony handrindra fanentanana sy fanadiovana iombonana. Ny kaominina dia tokony hiantoka ny fitaterana sy fanangonana fako ary hanara-maso ny fanotorana sy fanorenana tsy ara-dalàna. Ny APIPA, (Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo), dia manana andraikitra lehibe amin’ny fikojakojana sy fanadiovana ny lakandrano sy ny digue, fanamboarana sy fanavaozana ny rafitra fanakanana tondra-drano, fampiasana fitaovana manokana hanalana rano sy hanesorana sakana, fiaraha-miasa amin’ny kaominina sy ny ministera amin’ny fandrindrana ny asa sy ny fanentanana ny mponina, ary fandraisana andraikitra maika rehefa misy tondra-drano. Ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany dia tokony handrindra politika sy tetikasa maharitra amin’ny fanajariana ny tanàna sy ny fiarovana amin’ny tondra-drano. Tsy ampy intsony ny fitarainana sy ny fanomezan-tsiny, mila fihetsika sy vahaolana mazava sy fiaraha-mientana avy amin’ny rehetra: olom-pirenena, fokontany, kaominina, APIPA, ministera,... Raha tsy misy fanarahana andraikitra sy fiaraha-miasa ary fahatsapan-tena, dia hihamafy hatrany ny loza ateraky ny rano eto Antananarivo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT