Sosialy

Antananarivo Miha ratsy ny tsena ho an’ireo mpivaro-kena


  • Alatsinainy 07 Jona 2021

Toy ny nandatsa azy ireo ny fandehan’ny tsenan’ireo mpivaro-kena teto an-drenivohitra tamin’ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

 Raha tsy naharaka mihitsy mantsy ny entana nalain’izy ireo rehefa faran’ny herinandro mialohan’ny fihibohana teo aloha dia nifanohitra tamin’izany tanteraka nanomboka ny Sabotsy teo. Toa nolalovan’ny ankamaroan’ny olona fotsiny ny mpivaro-kena ka na 40 kg aza ho an’ny mpivarotra iray tetsy Isotry notsotsofina vao lany. Raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray dia toa tsy taitra intsony tamin’ny fividianana sakafo ny olona raha vantany vao nivaha ny fihibohana. Naleon’izy ireo aloha mitady vola avokoa ka rehefa mahita vao mividy. Tsy voafetra toy ny teo aloha rahateo intsony ny fotoana hahafahana miantsena. Maina toraka izany ihany koa ny tsenan’ny lamba…. eny fa dia ho an’ny akanjo mafana aza. Nitazatazana fotsiny ihany ny ankamaroan’ny mpiantsena ka saika velon-taraina avokoa ny mpivarotra rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT