Sosialy

Antananarivo Manapotika fihariana ny delestazy


  • Alatsinainy 28 Febroary 2022

Miverina indray, raha ny hita ny faran’ny herinandro teo teny amin’iny boriboritany fahatelo sy ny manodidina eto Antananarivo renivohitra iny, ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra.

Tapaka iray minitra dia miverina iray minitra in-telo teo ho eo dia tapaka tanteraka avy. Isan’ny nitranga teny Ambohitrakely sy ny manodidina teny ohatra izany ny sabotsy teo anelanelan’ny tamin’ny 6 ora hariva hatramin’ny tamin’ny 7 ora sasany hariva.Nisy ihany koa ny sabotsy sy omaly alahady mponina avy amina faritra maromaro toa ny eny Andraisoro nitaraina noho ny fahatahan’ny herinaratra.Eo ny antony noho ny fianjeran’ny andrin-jiro, fa misy ihany koa ny antony tsy fantatra hoe inona marina. Inoana fa efa fantatr’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny fiantraikan’izany eo amin’ny tontolon’ny fihariana andavan’andron’ireo mponina sy ny fiainany amin’ny ankapobeny mihitsy. Firifiry moa izao ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra no simba? Firifiry ireo sakafo lo na misy fofona voatery hariana satria tsy afa-mitahiry azy ny vata fampangatsiahana noho izay fahatapahan’ny herinaratra tsy voafehy izay? Maika ny vahaolana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT