Antananarivo

Mampanahy tanteraka ny olan’ny rano


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Mampanahy tanteraka ireo mponina eto Antananarivo amin’izao fotoana izao ity olan’ny

rano eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara ity. Nisongadina ny faran’ny herinandro teo ny fitokonan’ireo mponina eny amin’ny kaominin’Alasora noho io antony io. Toy izany koa ny teny Analamahitsy. Ity fokontany voalaza farany ity moa izay iaraha-mahalala fa mbola ao amin’ny distrikan’Antananarivo faha 5 na boriboritany faha 5 hatrany. Boriboritany izay efa matetika mikaikaika amin’io olan-drano io, raha tsy hilaza afa-tsy ny eny Manjakaray, mitohy amin’Ambatomainty ka hatrany Amboditsiry any. Tsy ny eny amin’iny faritra iny ihany anefa, raha ny angom-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo no heno ho miha mikaikaika amin’ity resaka rano ity fa isan’ny nahenoana izany koa, ohatra, nialohan’io ny teny Fort Duchesne sy ny manodidina na fokontany hafa ao amin’ny boriboritany faha 3, toy ny teny Ambohitrakely teny. Sambany teo amin’ny fiainako aho, hoy ny mponina iray no voatery mifoha amin’ny 12 ora alina hanangon-drano anaty sinibe satria efa tsy araka intsony ny fotoana mety hahatapahan’ny rano sy hiverenany indray. Ny eny Itaosy sy ny manodidina moa efa tsy hita intsony izay ilazana azy. Mitatitra ho azy mazava ny fahasahiranana mikasika ity resaka rano ity ny filaharan’ireo zerikanina mavo na «bidon jaune» tsy mety mihena fa miha misavovona hatrany amin’ireo paompim-panjakana isam-pokontany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT