Sosialy

Antananarivo madio sy milamina no tanjona Nesorina avy hatrany ireo mpandoto tanàna


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Araka ny vinan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana : “Antananarivo Soa Iombonan’ny Malagasy”, dia niara-nisalahy avokoa ireo hery velona rehetra teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) nanomboka tamin’ity herinandro ity,

 

 

 

 tamin’ny fandraisana andraikitra goavana amin’ny fandaminana sy fanadiovana ny renivohitr’i Madagasikara. Nidina teny an-toerana samy nanao ny asa tandrify azy ireo ekipan’ny boriborintany, ny departemanta misahana ny asa sosialy, ny departemanta mpiandry ny lapa, ny mpamonjy voina, ny polisy monisipaly, ny ekipan’ny kabinetra, ny polisy nasionaly, mifanome tanana ho fanatanterahana izany  hetsika goavana izany. Efa nisy ny fifampiresahana sy ny fanentanana manokana natao tamin’ireo rehetra voakasika, toy ireo mpivarotra amoron-dalana mba hamonjy tsena sy tsy hibahana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara, ireo mpamily rehetra manohintohina ny fifamoivoizana, ireo mpatory an-dalana izay mamela ny lotony etsy sy eroa ary manakorontana ny fandriampahalemana ihany koa, ireo mpivarotena sy mpirenireny amin’ny alina izay manao maloto sy manakotaba ny hafa. Nizotra am-pilaminana ny fanatanterahana ny asa. Tsara ny manamarika fa efa nisy ny fihaonana tamin’ireo ambaratonga ara-panjakana maro amin’ny fiaraha-miasa sy fandraisana andraikitra amin’ity hetsika izay efa natomboky ny CUA ity. Hitohy ny fandaminana sy fanatsarana, ka tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny CUA, ho tombontsoan’ny besinimaro.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT