Nidina ifotony nijery ireo fotodrafitrasa fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo ny minisitry ny Angovo, ny Rano ary ny Akoran’afo, mpisolo toerana,
Ramarolahy Christian sy ny mpitantana ny orinasa JIRAMA, omaly. Maro ny lesoka hita tamin’ny fanatanterahana ny asa teny Amoronakona, hoy ny minisitra. Hentitra ny tenany nanome baiko ilay orinasa nahazo ny tolo-bidy ny amin’ny hanarenany ireo lesoka ireo. Haka manampahaizana tsy miankina ny minisitera hitsirika ny fanaraham-penitry ny asa vita sy ny faharetan’ny fotodrafitrasa. Efa tafiakatra ao amin’ny siniben-drano Ambohimahitsy ny rano avy eny Amoronankona amin’izao fotoana izao, ary efa afaka hamatsy tsikelikely ny faritra atsinanan’Antananarivo sy hanatsara ny famatsian-drano amin’ny distrikan’Antananarivo faha-V ary ny faritra sasany eto an-drenivohitra. Taorian’izay, nijery ny fizotry ny asa fanaovana lava-drano « forage » teny Laniera ihany koa ny delegasiona notarihin’ny mMinisitra Ramarolahy Christian. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny asa eny an-toerana satria vita omaly ireo lava-drano miisa dimy, afaka hamokatra rano 100m3 isan’ora ho an’ny faritra Avaratr’Antananarivo. Ny 15 desambra no fe-potoana nomen’ny orinasa fa hahavitan’ny asa. Mifanindran-dalana amin’ity asa tanterahana eny Laniera ity ihany koa ny fanaovana lava-drano miisa fito hamatsy an’Ivato sy Ankadindravola ary ny manodidina. Hovitaina faran’izay haingana ny asa hahafahana mamaly ny filàn’ny mponin’Antananarivo. Afaka herintaona, hoy izy dia hivaha ny 70%- n’ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.