Sosialy

Antananarivo Hatsaraina amin’ny tetikasa Water III ny famatsian-drano


  • Alakamisy 09 Jolay 2020

Hohatsaraina ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Nankatoavin’ny Antenimeram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona, ny herinandro lasa teo ny fanatanterahana ny tetikasa JIRAMA Water III, izay miompana amin’ny fanitarana ireo foto-drafitrasa famatsian-drano eto an-drenivohitra.

 Tetikasa izay vatsian’ny BEI, ny Vondrona Eropeana ary ny WSUP vola, izay hotanterahina mandritra ny telo taona. Mizara telo lehibe ny asa hotanterahina ao anatin’ity tetikasa ity toy ny fampitomboina ny famokaran-drano hihoatra ny 100 000 m3 isan’andro, ny fanorenana tobim-panadiovan-drano roa vaovao eny Ambohitrimanjaka sy Ankadindratombo, izay afaka hanadio rano 30 000m3 avy isan’andro. Fanitarana ny tobin’i Mandroseza izay hamokatra 40 000m3 isan’andro ary fanamafisana sy fanavaozana ny tambazotra efa misy. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana na fanatsaràna fantsona mirefy 78 km, ny fanorenana siniben-drano vaovao miisa dimy izay manana hadiry mitontaly 12 000m3, ny fametrahana toby mpampiaka-tosika vaovao ary fanatsarana ireo efa misy. Hisy ihany koa moa ny fanitarana ny tambazotra mpitsinjara rano, ny fampidiran-drano any an-tokantrano sy paompin’ny daholobe, amin’ny alalan’ny fametrahana fantsona mirefy 105 km izay hitsinjara rano ho an’ny faritra Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Atsimo Andrefana, Atsinanana ary Avaratr’Antananarivo. Mpanjifa vaovao miisa 5.000 koa no hahazo tombontsoa ary paompin’ny daholobe 400 ihany no hisitraka rano.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT