Sosialy

Antananarivo Fantson-drano 90 km no amboarina


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Manohy ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny JIRAMA amin’izao fotoana izao.

 

 

 Ankoatra ny fametrahana siniben-drano amin’ny toerana maro dia efa miroso amin’ny fanoloana ireo fantsona tranainy sy manary rano ihany koa ny orinasa, izay hiarahany manatanteraka amin’ny orinasa TRG International avy atsy Afrika Atsimo. Marihana fa ny am-pahany lehibe amin’ny tambazotra mpitsinjara rano eto Antananarivo dia saika efa antitra sy tsy tomombana avokoa ka mampanano sarotra ny famatsiana. Fantsona tranainy sy manary rano mitontaly 90 km araka izany no hanatanterahana ny tetikasa ka ny 10km hotanterahina anatin’ny dingana voalohany ary arahin’ny dingana efatra ambiny izay 20 km avy izany. Maharitra herinandro vitsivitsy ny dingana tsirairay. Mampiavaka ity tetikasa ity ny fampiasana ny teknolojia mandritra ny fanoloana ny fantsona . Tsy misy mantsy ny fandavahana lavaka lehibe na fisavana ny halavan’ilay fantsona hosoloina fa milina efa matihanina no hamantatra sy hanolo izany avy hatrany. Tanjon’ny fanatanterahana ny tetikasa ny fanamafisana sy fanatsarana ny famatsian-drano eto Andrenivohitra.Hofenoina amin’ny alàlan’ny fanoloana ireo fantsona tranainy sy manary rano amin’ny tambazotra mpitsinjira rano ireo noho izany ny tsy fahampian’ny famokarana sy ny fitsinjarana rano. Ahena faran’izay kely indrindra koa ny fanamboarana fantsona vaky izay isan’ny miteraka fahasimban’ny arabe. Faritra 14 no voakasik’izao dingana voalohany izao ka anisan'izany Ambondrona , Ankadifotsy Befelatanana, Andravoahangy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT