Sosialy

Antananarivo Delestazy manara-penitra omaly


  • Alarobia 23 Jona 2021

Maizin-kitroka ny tanàna saika nanerana Antananarivo omaly teo anelanelan’ny tamin’ny 9ora ka hatramin’ny 10 ora alina, nisy mbola taorian’izay aza vao tafaverina ny herinaratra. Ny nihoatra an’izay tsy ferana.

 Zary vazivazy sisa ny hoe “delestazy manara-penitra”. Ny fahasimban-javatra aterany efa tsy resahina intsony. Tany ho any amin’ny tamin’ny 10 ora alina no namoaka fampahafantarana ny Jirama, fa noho ny tsy fahatomombanan’ny “transformateur” tany Andekaleka no niteraka ny fahatapahana ho an’ny tambajotra mampifandray amin’Antananarivo na ny RIA. Nambara fa miverina tsikelikely ny jiro. Tsy varatra mipoaka, tsy orana avy, tsy hoe ritra sy main-tany tanteraka,… fa misy foana ny olana sy ny delestazy. Nenjehina tamin’ny resaka telo volana Atoa Rajaonarimampianina fa moa manao ahoana ny amin’izao? Ho bedy sy homena fe-potoana indray angamba ny Talen’ny Jirama, saingy ny eo ihany no eo.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT