Sosialy

Antananarivo-Boriborintany Faha-3 Nodiovina ny tanàna, nesorina ireo petadrindrina


  • Talata 25 Septambra 2018

Nanala ireo petadrindrina sy nanadio nanomboka teo amin’ny tetezan’i Behoririka hatrany Besarety ny avy ao amin’ny boriborintany fahatelo ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny sabotsy 22 septambra 2018 teo, nanomboka tamin’ny 7 ora sasany maraina.

 

 

 

Nitarika ny hetsyka ny lefitra faharoan’ny delegen’ny boriborintany fahatelo Herimanantsoa Raliderson. Nesorina ireo petadrindrina, nofafana ny lalana ary noraofina ny fako, ka rehefa vita dia nisy ny fitifirana ranom-panafody ny toerana voadio izay notanterahan’ny avy ao amin’ny BMH na ny departemanta misahana ny fahasalamana mba hamonoana ireo mikraoba rehetra ary hiarovana amin’ny areti-mifindra pesta ihany koa. Tonga niara-nisalahy nanadio ny ekipan’ny boriborintany fahatelo, ny avy ao amin’ny BMH ary ireo tanora TIM avy ao amin’ny boriborintany.Hita fa tena miparitaka sy mivangogo ny petadrindrina, indrindra ireo tsy ara-dalàna mipetaka etsy sy eroa ary ny fahitana ny tanàna maloto, ka izay no anton’ny hetsika. Mbola hitohy fa tsy tamin’io andro io fotsiny, hoy ny tompon’andraikitra. Nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fanadiovana ny 15 septambra  ihany koa dia nisy ny fiaraha-mientana nanadio nataon’ny boriborintany faha-3 sy ny orinasa UDITEC (Cosmos sy Umatec), ao anatin'ny groupe JCI Jeune Chambre International, notontosaina tetsy Ankorondrano sy ny manodidina. Nifampizaran'ny ekipa 6 ny fanadiovana, izay nahitana olona zato mahery.

Legende:Asa fanadiovana natao teny amin’ny boriboritany faha 3 omaly

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT