Araka ny lalàna mifehy azy sady voasoratra amin’ny andinim-pitantanana sy eo amin’ny rafitra dia anjaran’ny minisitera fa tsy an’ny kaominina akory ny fisahanana ny fitantanana ny fako,
hoy ny manampahaizana momba ny haiolona nandinika ny fitantanana ny fako an-tanàn-dehibe, Jean Pierre Rakotoniaina. Hita ho zary fitaovana politika ifandrotehana anefa io, hoy izy. Ny SAMVA izay misahana voalohany, vatsiana vola isan’andro, ampiasany ireo fitaovam-pitaterana sy olona miasa amin’io sehatra io dia toa azo heverina tsy ho manam-pidiny noho ny fangejana ny tetibola tokony hampisana angamba, na efa tambajotra iray manaiky ny fandotoan-drano ara-politika koa. Ny rafitra no mila ahitsy, hoy hatrany ity mpandinika ity. Tsy hoe anesorana akory fa asiana vovonana iray hafa ankoatra ny minisitera hifehy akaiky kokoa azy io. ilaina ny fanentanana ifotony, isam-batan’olona, tokantrano, fokontany, samy hifehy ny fakony araka izay lojikan’ny fampiasana azy. Ohatra amin’izany ny hoe fako azo ahodina dia ahodina, izay mety atao zezika (potika na hodim-boankazo ) eo ihany koa ireo fako mety dorana tsy manimba betsaka ny rivotra azo levonina isan-trano. Fepetra maro no mety sy azo raisina, hoy izy, ary anisan’ny tena mahomby ny fananganana orinasa fanodinana indray na “recyclage” fa amin’ireo rehetra ireo dia mijanona ho tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fampiharana azy ny fanjakana mahefa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.