Sosialy

Antananarivo Atsimondrano Vita eo no ho eo ny « certificat juridique » manomboka izao


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Raha nanana olana goavana tamin’ny fakana ny « certificat de situation juridique » ho an’ny tany teo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany ireo mponina eny amin’ny

 

 

 

distrikan’Atsimondrano teo aloha noho ny filazana fa rovitra ny boky mirakitra ara-dalana izany dia efa voavaha tanteraka ny olana ankehitriny.  Noho ny fisian’ilay tantsoroka ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny fitantanana ny fananantany ARSF (Appui à la Réforme et à la Securisation Foncière) no angady nananana sy vy nahitana izany, raha tsy maintsy niandry 20 andro avokoa ny rehetra teo aloha.   Tsy niova ny vola haloa  raha araka ny fantatra fa mijanona ho 2.000 Ariary toy ny teo aloha ihany. Nametrahana « guichet unique »  mihitsy ao amin’ity sampandraharaha ao Atsimondrano ity ary vao nahazo fitaovana koa izy ireo. Tsiahivina moa fa efa nampidirina anaty solosaina avokoa ny antontan-kevitra momba ny tany mba hanafaingana ny asa izay fantatra fa mbola hitohy hatrany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT