Antananarivo Atsimondrano

Lasa fitobian'ny Indo-Pakistamais mpanao ratsy ?


  • Talata 16 Aprily 2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

amin’izao fotoana izao. Voakasik’izany ny eny Tanjombato, Ankaraobato ary Andoharanofotsy. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia feno tera-tany Indo-Pakistanais mipetraka ao anatin’ireo kaominina miisa telo ireo nefa tsy mbola nitondran’ireo tompon’andraikitra eny ifotony fanazavana hatreto. Ny ao Tanjombato raha araka ny vaovao azo no tena ahitana marobe izany. Feno ireo tera-tany ireo avokoa ny Fokontany miisa 5 hoy ireo mponina. Tsy vitan’izay hoy hatrany ireto farany fa tena ohatra ny tompon-tanana mihitsy izy ireo ka vehivavy no tena maro an’isa. Manao antso avo ireo tompon’andraikitra toy ny sefom-pokontany sy ny Ben’ny tanana ao anatin’ireo kaominina miisa 3 ireo mba hitondra fanazavana ny mponina araka izany. Lohalaharana amin’ireny ny taratasin’ireo vahiny ireo sy ny anton-diany eto Madagasikara marina. Mandehabe mantsy ny feo fa miasa amina ozinina iray eny eny akaikin’ny Analamanga Park izy ireo isan’andro. Efa nisy ihany moa ireo tompon’andraikitra nantsoina mikasika ity tranga ity ho an’ireo kaominina ireo omaly saingy tsy tratra antso. Tsiahivina moa fa raharaha maloto toy ilay fanondranana volamena an-tsokosoko tany Nosy-Be niazo an’i Dubai no nahafantaran’ny maro ny toe-panahin’ireo tera-tany Indo-Pakistanais teto amintsika, antony tsy mampilamina ny sain’ireo mponina eny Atsimondrano.
Pati
Legende : Misy amin’ireo Indo-Pakistanais sasany eto amintsika malaza ratsy amin’ny afera maloto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT