Sosialy

Antananarivo Ankizy mpianatra 1630 no saika tratry ny tsy fanjariantsakafo


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Fototra iray lehibe manosika ny ankizy hitsoaka an-daharana an-tsekoly ny tsy fahampian-tsakafo.

 

 

 

 

 

 

 

 Ho an’ny teto amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra manokana dia fantatra fa ankizy mpianatra miisa 1.630 no saika tratry ny tsy fanjarian-tsakafo noho ny tsy fahampiana misy eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy. Hiezaka hijery manokana azy ireo ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny vondrona Filatex kosa no hamatsy vola azy ireo, ka ny tanjona dia ny hitazonana ireo ankizy tsy hitsoaka an-daharana sy hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Amin’ny alalan’ny fanomezana ody ambavafo na sakafo atoandro azy ireo no hanatanterahana ny hetsika izay hanomboka tsy ho ela. Nisy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny telo tonta  omaly hahafahana manatontosa izany. Tsiahivina moa fa io isa io no fantatra fa efa betsaka ireo ankizy latsaky ny dimy taona no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto amintsika vokatry ny fahasahiranana iainan’ny isam-baravarana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT