Sosialy

Antananarivo Ahiana hitroatra ireo mpivarotra


  • Talata 24 Mey 2022

Nanao fanambarana manohitra marindrano ny mety ho fampidiran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) orinasa tsy miankina hitaky ny haba eny anivon'ny tsena ireo mpivarotra manerana ny boriborintany 6 omaly,

tetsy amin’ny Restaurant Ny Railovy Analakely, notarihin’Atoa Raharijaona Harisson Tefy Filohan’ny Delegen’ny mpivarotra eto Antananarivo. Hita tao avokoa ireo mpivarotra sy solontena avy amin’ny tsena miisa 13: Tsimialonjafy Mahamasina, Ampasampito, Andravoahangy, Petite Vitesse, Isotry, Ambohijatovo, Soamanatombo, Namontana, Ambohimanarina,... Tsy manaiky ny hidiran’ny orinasa SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) hitaky ny haba. “Aminay izany fitakiana haba izany dia resaka raharaham-panjakana (Service public) ka tsy tokony homena ny tsy miankina, ary mifanitsaka amin'ny tokony ho izy izany. Misy ireo « percepteurs » izay manana ny zo sy adidy hitaky haba eny amin’ny tsena, ny vola izay takian'ireny dia mivantana avy hatrany any amin'ny kitapombolam-panjakana, ary raisinay mba ho fanatsarana ny tananan'Antananarivo”, hoy ireo mpivarotra. Marihina moa, fa raha ny fifanarahana dia 30% amin’ny vola miditra an’ny SMGD ary 70% kosa ny an’ny CUA. Eo anatrehan’ny filazan’ny kaominina, fa tsy mahefa loatra ireo mpitaky hetra ara-dalàna mpiasam-panjakana satria zara raha misy 40% no tonga any, dia raharaham-panjakana izany tsy misy hidiranay. Raha izay tokoa anefa ny zava-misy dia tokony hofanina ireo ka raha 40% mety ho tonga 60%, 80%,… fa tsy hoe : hosoloina orinasa tsy miankina ny mpitaky haba. Manahy ny mpivarotra fa hiteraka fanakorontanana ny rafitra efa napetraka momba ny fitantanana ny tsena ihany koa ny fanomezam-pahefana ny SMGD. Efa nisy ihany koa ny fanisana mpivarotra amin’ny toerana sasany saingy tsy ny delegen’ny tsena no manao azy fa izany Fikambanana tsy miankina antsoina hoe : « Mikajy » izany, ka mbola ahianay ho làlana mitondra any amin’ny fanomezana ny tsy miankina na “privatisation” ny tsena ihany koa io, hoy ny fanambarana. Nanitrikitrika izy ireo fa iainkinan’ny ainy, ary mamelona olona maro ny tsena ka tsy tokony homena hotantanin’ny tsy miankina, ankoatra ny haba izay tsy tokony ho ny Fanjakana ihany no mandray azy. Niara-niredona ny hoe : « tsy ekena » ireo mpivarotra, ary naneho fa vonon-kijoro hatramin’ny farany. Ahiana hitroatra noho izany ireo mpivarotra izay isan’ny natao fitaovana tamin’ny propagandy, saingy mahatsiaro ho lasibatra ankehitriny.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT