Sosialy

Antananarivo 2 isan-kerinandro no mamono tena noho ny resa-pitiavana


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Mbola betsaka ireo olona mamono tena vokatry ny olana ara-pitiavana eto amintsika. Ankoatra ireo mihinam-panafody mahery vaika dia tsy

vitsy ireo mitsoraka any anaty rano na mamono tena any ambany fiara mandeha izay tsy hanavahana na lahy na vavy. Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha dia miisa 2 isan-kerinandro ireo olona mamono tena vokatry ny olana ara-pitiavana raha kely saingy avotra avokoa ny ankamaroany. Vao omaly maraina indray ohatra dia tovovavy iray 22 taona no nitsoraka tetsy amin’ny tetezan’Ampasika miazo an’Itaosy ka namoy ny ainy avy hatrany. Olona nandalo teny amin’iny faritra iny no nahita azy efa nitsoraka ka tsy voatazona intsony. Somary sarotsarotra rahateo ny namonjy azy noho izy tao afovoan-drano no nitsoraka nefa tsy mahay milomano raha araka ny fantatra. Antony namonoan’ity tovovavy ity tena moa ny fanakanan’ireo Ray aman-dReniny azy tsy hanambady ilay olon-tiany, hono. Mpihavana ihany, hono, mantsy izy ireo. Efa tsy nisy aina intsony ny tovovavy vao tafakatra teo amin’ny bozaka ny vatana mangatsiakany.
Legende : Naleon’ilay tovovavy nanapitra ny ainy rehefa tsy navela hanambady ny olon-tiany izy
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT