Sosialy

Antanambao I Toamasina Mangataka ny hanalana ny sefom-pokontany ny mponina


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Nitokona ny mponina tao Antanambao I Toamasina omaly. Tsy mankasitraka ny hanohizan’ny sefom-pokontany ao an-toerana ny asany intsony mantsy izy ireo.

 

 

 

 

 

Diso tafahoatra hoy ireo mponina ny fanararaotana hataon’ity sefom-pokontany ity. Raha haka fanamarinam-ponenana ohatra dia manomboka amin’ny 10.000 Ar ny lelavola aloha amin’ izany no sady tsy misy rosia mazava, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’ny andron’ny Tosika Fameno ihany koa dia nambaran’ireo mponina fa izay hakaiky ity sefom-pokontany ity ihany toy ny havany sy ny namany no nahazo sy nisitraka izany nefa samy sahirana avokoa. Miantso ny fandraisan’andraikitr’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Toamasina izy ireo araka izany. Tsiahivina moa fa saika tazana nanohana ity hetsika ity avokoa ny ankamaroan’ireo mponina tao amin’ity Fokontany iray ity.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT