Sosialy

Antanamanjaka -Antsirabe Nidoboka am-ponja ilay rangahy nidaroka zaza


  • Zoma 04 Martsa 2022

Zazalahikely iray havan’ilay Ramatoa izay taizan’izy mivady no nodarohan’ilay rangahy isaky ny mamo izy tao Antanamanjaka Antsirabe, Faritra Vakinankaratra.

Tsy afa-nanoatra ravehivavy nandritra izany noho ny tahony am-badiny ka tsy sahy nikofoka. Ny mpampianatra ilay zazalahikely no tsy nahazaka nahita ny fijaliana hiaretan'ity zaza ity ka nanao antso avo tamin 'ny tambazotran-tserasera facebook. Saika ahitana mangana hatrany mantsy ny tenany. Hitan'ireo zandary ao Vakinankaratra izany ka nandraisany fepetra . Nitsoaka ilay nahavanon-doza nandritra izany saingy nokarohin'ny zandary avy ao amin'ny poste avancé ao Antanamanjaka sy ny Borigady ao Antsirabe ka tratra ihany. Marihina moa fa mampigadra ny fikasihan-tanana sy fidarohana zaza tahaka izao na dia zanaka nateraka aza. Ny fiarahamonina araka izany no entanina hampahafantatra ny zava-misy tahaka ireny amin’ny mpitandro ny filaminana. Raisina ho mpiray tsikombakomba ireo izay mahita na mahafantatra nefa tsy mampandre raha misy mahatratra.
Pati
Legende : Ity ilay rangahy namono ny zana-badiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT