Sosialy

Anosy Tsy namaha olana ny fahavitan’ilay tsena vaovao


  • Zoma 12 Mey 2023

Tsy afaka nivarotra tahaka ny fanaon’izy ireo mahazatra isaky ny alakamisy ireo mpivarotra etsy Anosy manoloana sy manodidina ilay tsena vaovaobe an’ny kaominina. Mpivarotra 91 no voakisaka sy tsy nahazo niasa

tamin’ny 7 ora maraina no nanomboka namelatra entana izy ireo omaly, tamin’ny 11 ora maraina anefa dia tonga ny avy ao amin’ny kaominina nandroaka fa satria hoe tsy azo atao ny mivarotra eo fa ao anaty tsena raha hivarotra.Mangataka izahay mba tsy ho foanana ilay tsena alakamisy satria foto-pivelomanay ilay varotra isaky ny alakamisy io, hoy ireto mpivarotra ireto .Nambaran’izy ireo fa misy akony ratsy amin’ny fitadiavana ny fanesorana tampoka tsy misy fampilazana tahaka izao. Efa 35 taona izahay no nivarotra teto ary aoka hazava ny resaka hoy ireo mpivarotra fa tsena andavanandro io tsena vaovao io izany hoe , alatsinainy, talata, alarobia, zoma, sabotsy fa hafa mihitsy ilay hoe tsenan’Alakamisy. Iny dia indray mandeha isan-kerinandro ihany. Milaza ho tsy mandà ny fandaminana ireto mpivarotra ireto fa tokony mba ho jerena kosa ny toerana hahafahanay mivarotra hoy izy ireo, fa tsy tonga dia fandroahana tsy misy adihevitra tahaka izao no atao anay. Efa nitranga ihany moa ny olana tahaka izao taorian’ny fahavitan’ ilay tsena goavambe eny Behoririka. Ny fandaminana eo ihany, fa ny tsapa dia efa tena be loatra ireo mpivarotra, ary ny terana mora hahalafosana entana dia ny amoron-dalana no tena maha maika azy ireo. Manakorontana sy mandoto tanàna anefa izany. Tsy dia any amin’ny fananganana tsena vaovao angamba no vahaolana fa ny famoronana asa mba tsy hampirohotra ny olona any amina resaka vola maika amin’ny kivarobarotra etsy sy eroa.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT