Sosialy

Anosy sy ny manodidina Tsy maintsy esorina daholo ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Talata 16 Jolay 2019

Nanomboka ny herinandro lasa teo nitohy tamin’ity herinandro ity ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana mitoby manoloana ny ranon’Anosy.

 

 

 

 Efa manodidina ny 100 isa izy ireo raha kely mivarotra ireo karazana voankazo sy legioma maro samihafa.  Ny nahavariana  anefa dia niverina indray ny ankamaroan’izy ireo omaly alatsinainy 15 jolay maraina ankoatra ireo mamorona toeran-kafa manoloana ny arabe mankany Anosibe. Nambaran’ny delegen’ny Boriborintany fahefatra fa tsy maintsy hofoanana ireo mpivarotra amoron-dalana eo Anosy ireo. Tsy ara-dalàna avokoa mantsy izy  ireo raha ny nambarany ka manery lalana sady manakorontana ny fivezivezen’ny mpandeha an-tongotra izay mety hitera-doza. Efa nisy andro iray na roa nahafoana azy ireo tanteraka tamin’ny herinandro lasa teo saingy raha vao tsy misy tompon’andraikitra manara-maso dia miverina maka toerana indray izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT