Sosialy

Anosy sy ny manodidina Nozarain’ny polisy tohan’aina ireo mpanala Bepc


  • Talata 05 Jolay 2022

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy nanadino ireo mpiadina miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manodidina an’Anosy,

toerana misy azy ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka. Raha araka ny hita teny an-toerana mantsy dia marobe ireo ankizy mpanala fanadinana BEPC toy ny ao amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha no tsy afaka mody atoandro fa tsy maintsy misakafo eny amin’ny manodidina hisorohana ny mety ho fahatarana. Manomboka eo amin’ny 5.000 Ar isan’andro raha kely araka izany ny vola tsy maintsy homanin’izy ireo hisakafoanana miaraka amin’ny saran-dalana mandroso sy miverina. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpiadina iray monina eny Itaosy ary manala BEPC ao amin’ny LMA Ampefiloha dia tsy maintsy mitady vary masaka 1500 Ar eo ho eo izy amin’ny atoandro fa raha tsy izany dia tsy mba manana ambim-bava kely hividianana sokola sy bisikoitra ankoatra ny saran-dalana. Nanampy azy betsaka araka izany ny tohan'aina izay nozarain’ny polisy ho an'ny mpiadina omaly ho fanomezana hery amin'ny fiatrehana ny fanadinana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT