Sosialy

Anosy Nivadika vato ny telefaonina novidiana


  • Talata 13 Aogositra 2019

Voan’ny maso be tsy mahita ve sa tratry ny hafainganan-tanana ? Loza no nahazo ity tovolahy iray fa nijerijery ary tapa-kevitra fa hividy telefaonina na finday ny alahady hariva teo.

 

Teny Anosy no nitranga ny raharaha, natao ny resaka tamin’ilay mpivarotra na mpisera finday no marina kokoa izay mamelatra ny entany eny amin’ny sisin-dalana. Narantirantin’ilay mpivarotra ny finday tsara sady manintona tokoa marika Sony Xperia Z3, entana efa niasa mazava ho azy. Natao teo ny adivarotra ary raikitra fa 80 000 ariary no handraisan’ilay tovolahy ny entana. Nomena ny vola, natolotr’ilay mpivarotra ny entana dia samy lasa. Efa dify lavidavitra ilay tovolahy namoaka ity finday avy ao am-paosiny, akory ny hatairany fa vato mifono taratasy misy sachet sy nofehezina tamin’ny scotch no tao am-paosiny. Niverina nikaroka ilay mpivarotra saingy efa nadio ny rano nitany ka tsy hita tao intsony ilay mpisera telefaonina. Ny vola very, ny telefaonina novidiana nivadika vato mifono sachet. Re fa maro no efa voa toy izany teny Analakely, Petite Vitesse, Behoririka, Anjanahary. Aleo eny amin’ny mpivarotra ara-dalàna ihany no mividy entana, misy taratasy mazava sy “garanti” fa tsy sodokan’ny mora eny amoron-dalana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT