Sosialy

Anosy Nifandona ny polisy kaominaly sy ny mpivarotra


  • Alakamisy 02 Jona 2022

Tohana mafy ireo mpivarotra tetsy Anosy manoloana ny radiom-pirenena Malagasy omaly. Efa hatramin’ny afak’omaly talata mantsy izy ireo no tsy nisy tany niainana fa nokorontanin’ny polisy kaominaly tsy afaka nivarotra, raha any fitarainan’ireo mpivarotra.

Niray hina nilanja sora-baventy niazo ny tsenan’i Soamanatombo izy ireo araka izany omaly maraina nanomboka tamin’ny 08 ora sy sasany nanohitra izany no sady nilaza fa mila mivarotra izy ireo fa noana ny vady aman-janany. Raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray dia vokatry ny fananganana mpivarotra iray trano vy eo ampitan’ny hotel Carlton no nahatezitra ny kaominina, antony nanakana azy ireo tsy ho afa-mivarotra ihany koa. Na izany aza anefa hoy izy ireo dia mpivarotra mandoa ticket ara-dalana izahay no sady miezaka manaja ny fahadiovana mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra. Notsindrian’izy ireo fa olona mamelona vady aman-janaka izy ireo, tsy mitady korontana na disadisa fa mitady izay kely hiditra any am-paosiny kosa. Notsindrian’izy ireo moa fa tsy tokony hanao fihetsika mahery aminy ny polisy kaominaly. Ny hamongorana ireo mpangalatra be dia be eran’ny tanana no tokony hifanomezan’izy ireo tanana amin’ny polisy hafa namany hoy hatrany ireo mpivarotra fa tsy ny fiveloma’ny madinika indray no potehina.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo sora-baventy nolanjain’ny mpivarotra omaly niazo an’i Soamanatombo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT