Sosialy

Anosy manoloana ny RNM Miala manomboka anio ireo mpivarotra tsy manana trano


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Manodidina ny 80 isa eo ho eo raha kely ireo mpivarotra amoron-dalana etsy akaikin’ny Radio nasionaly Malagasy etsy Anosy.

Manam-bady aman-janaka avokoa ny ankamaroan’izy ireo ary 3 isan-tokantrano no vitsy indrindra. Tsy hanana antom-pivelomana intsony anefa izy ireo manomboka anio alakamisy 03 aogositra. Raha araka ny fitarainan’izy ireo omaly mantsy dia hoesorin’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny toerany izy ireo ary tsy afaka hiverina hivarotra eo intsony. Tsy vitsy ireo niezaka ny nandany ny entana namidiny noho izany omaly no sady nivarotra izany mora koa. Tsy mbola fantatra mantsy izay ahitan’izy ireo toerana vaovao indray aorian’izao fanalana azy izao. Ny kaominina Antananarivo renivohitra rahateo raha araka ny fantatra tsy mbola nanome vahaolana ho azy ireo eny fa na dia ny hisorohana azy ireo tsy hangalatra sy hanaotao fotsiny aza. Ny fiainana anefa efa tena, mafy vao mahita iray kapoaka harotsaka. Nisy tamin’ny solontenan’izy ireo noho izany omaly no lasa nidodododo niresaka tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo koa andrasana izay mety ho tohiny. Tsy miala moa fa afaka mivarotra eny an-toerana ihany ireo mpivarotra nahavita nanangana trano azy izany hoe : ireo ara-dalàna mandoa vola isam-bolana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT