Sosialy

Anosy manamorona ny RNM Efa tena lasa tsenabe


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Efa tena lasa tsenabe ny eo Anosy manamorona ny fefin’ny Radio nasionaly Malagasy amin’izao.

 

 

 

Mila ho tonga hatreny amin’ny Fitsarana mihitsy manomboka  andro talata ka hatramin’ny  zoma raha somary mangingina ny alatsinainy.  Ny alakamisy  moa dia tsy lazaina intsony, noho ny hamaroan’ireo mpivarotra sy mpiantsena. Handamina ny mpivarotra amoron-dalana sy hampiditra azy ireo anaty tsena anefa no re tamin’ny fampielezan-levitry ny ben’ny tanana Naina  Andriantsitohaina. Ankehitriny, ny fitomboan'ny mpivarotra amoron-dalana no hita ary toerana tsy mbola nisy azy ireo mihitsy teo aloha. Manome endrika ratsy ny renivohitra sady mandoto tanàna  izao hamaroan’ny mpivarotra amoron-dalana etsy sy eroa izao. Hita ho sahirana ny  kaominina Antananarivo Renivohitra na dia efa tena miezaka mikaro-bahaolana aza sady  efa tsara tohana avy amin’ny  fitondrana foibe. Toa mitovy  tamin'ny mpitantana ny kaominina teo aloha ihany ny zava-misy amin'izao fotoana  hatreto. Asa  izay mety ho fivoarana any aoriana any  fa dia hiarahantsika mitazana eto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT