Sosialy

Anosizato Nirodana tampoka ilay trano vao namboarina


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Trano lehibe iray misy rihina telo no fantatra fa nirodana tampoka omaly folakandro tokony ho tamin’ny 03 ora teny Anosizato Andrefana,

 

 

distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Tsy mbola  fantatra mazava izay antony nahatonga ny firodanana raha araka ny loharanom-baovao azo. Ny hany fantatra dia mbola eo an-dalam-panamboarana ity trano ity. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Eritrteritry ny maro ny hoe tsy nety ny fotoana nisafidianan’ny tompony ny nanamboarana azy. Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra tanteraka mantsy isika ankehitriny. Eo ihany koa ny hoe : mety ny fototry ny trano no tsy nahazaka azy….Mila mitandrina tsara rehefa hanao trano. Efa vidina 100 Ar mantsy ny iray amin’ny biriky amin’izao eny Anosizato eny raha 17.000 Ar ny iray lasaka amin’ny simenitra, fitaovana izay marihina fa tsy mitsahatra ny miaka-bidy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT