Sosialy

Anosizato Mpatory an-dalana 260 natoka-monina...


  • Zoma 15 Mey 2020

Havaozina tanteraka ny Centre Fanantenana etsy Anosizato nametrahana ireo fianakaviana mpatory an-dalana izay voatery natoka-monina mandritra izao fihibohana izao.

Olona 260 mianaka izy ireo miaina sy mivelona ao hiantohan’ny kaominina Antananarivo renivohitra sakafo maraina sy atoandro ary hariva. Mba hahatsara kokoa ny fiainan’izy ireo sy hahafahana manome fiofanana ireo Renim-pianakaviana sy Raim-pianakaviana anefa dia hasiam-panamboarana ny tanana. Hisy ny fametrahana trano fivoahana sy ny trano fidiovana, miampy kianja filalaovan’ny ankizy. Ny Fondation Axian no hifanome tanana amin’izany amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanatanterahana izany. Tanjon’ny roa tonta ny hahafahana mamolavolana ireto fianakaviana ireto ho lasa olom-banona rehefa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo aorian’ny fihibohana. Hitohy hatrany mantsy ny fiofanana omena ireo renim-pianakaviana sy raim-pianakaviana hahafahan’izy ireo mikaroka sy mahita asa hamelomany ny ankohonany arahin’ny fanovana ny toe-tsaina, izay fototra lehibe miantoka ny maha-olona tokoa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT