Sosialy

Anosizato Atsinanana Efitrano 4 may kila noho ny ankoson’aratra


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Nitrangana hain-trano goavana tetsy Anosizato Atsinanana, ampitan’ny fahitalavitra Record omaly tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro.

 

 

 

Raha ny fantatra, ankison’aratra na “court circuit” no nahatonga ny loza, hany ka nahita faisana avokoa ireo efitrano miisa efatra tany ambony rihina niaraka tamin’ireo fanaka rehetra tao anatiny. Tsy nisy kosa ny naratra na namoy ny ainy. Noho ny fifanomezan-tanan’ny fokonolona sy ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina miisa roa teny an-toerana dia voafehy vetivety ny afo ka mba tsy nitatra.  Fiangonana ity trano may ity.  Tsy mbola fantatra kosa raha nisy vola tao. Mila malina hatrany ny rehetra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao, fotoana tena mahabetsaka ny rivotra ka mampahazo aina ny afo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT