Anosivavaka Ambohimanarina

Vitan'i Depiote Todisoa ny lalana nitarainan'ny vahoaka


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Taorian'ny teny Ankazomanga, dia ny vita ihany koa ny lalana

nampikolay ny vahoaka teny Anosivavaka Ambohimanarina, anatin'ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Tonga hijery ifotony izany sady nitafa tamin'ireo vahoaka teny an-toerana ny Depiote Todisoa Andriamampandry, izay angady nananana sy vy nahitana ny asa. "Vitantsika ny lalana izay nangatahan'ny mponina teto Anosivavaka , tao anatin'ny fotaka sy rano hatramin’izay. Noraisiko adidy ny fanaovana ireo lalana satria mijaly ny vahoaka ary mbola ho avy ny an'ny fokontany hafa. Manentana ny mponina mba hikojakoja izany fotodrafitrasa izany.", hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry tamin'ny vahoaka. Tsy vao sambany tamin'ny asa sosialy nataon'ity farany io na tsy asa aman'andraikitry ny depiote aza ny manamboatra lalana. Ny tenany izay naneho sy nanamarila rahateo nandritra io fa tsy andraikitra fa adidy amin'ny vahoaka no ataony, ka nanamafisany hatrany an'ilay hoe: “Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT